Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 10:4-15 Malagasy Bible (MG1865)

4. Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?

5. Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,

6. No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,

7. Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?

8. Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.

9. Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao!

10. Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?

11. Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.

12. Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.

13. Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:

14. Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.

15. Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.

Vakio ny toko manontolo Joba 10