Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 10:11-21 Malagasy Bible (MG1865)

11. Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.

12. Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.

13. Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:

14. Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.

15. Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.

16. Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.

17. Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.

18. Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.

19. Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.

20. Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,

21. Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,

Vakio ny toko manontolo Joba 10