Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Joba 10:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko

2. Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho.

3. Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?

4. Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?

5. Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,

6. No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,

7. Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?

8. Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.

9. Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao!

10. Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?

Vakio ny toko manontolo Joba 10