Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 9:16-25 Malagasy Bible (MG1865)

16. Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;

17. Ary asaovy haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika, mba hampijojy ny ranomasontsika sy hampivarina ny ranomaso avy amin'ny hodimasontsika.

18. Fa misy feo midradradradra re any Ziona hoe: Indrisy! rava isika; Afa-baraka indrindra isika, satria tsy maintsy mamoy ny tany, fa efa narodana ny trano nitoerantsika.

19. Nefa mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin'ny sofinareo ny tenin'ny vavany, ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy.

20. Fa ny fahafatesana efa nananika ny varavarankelintsika ka niditra tao an-dapantsika, mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe sy ny zatovo tsy ho eny an-kalalahana.

21. Ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin'ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan'ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.

22. Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny;

23. Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.

24. Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin'ny tsy voafora koa,

25. Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak'i Amona ary Moaba mbamin'izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak'Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 9