Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 51:27-42 Malagasy Bible (MG1865)

27. Manangana faneva eny amin'ny tany; Mitsofa anjomara any amin'ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan'i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.

28. Manendre firenena sy ireo mpanjakan'ny Mediana hamely azy, ny governora sy ny lefiny rehetra ary ny tany rehetra anjakany.

29. Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin'i Babylona ny fikasan'i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.

30. Nitsahatra tamin'ny ady ny lehilahy maherin'i Babylona, nitoetra tao amin'ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny.

31. Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba hanambara amin'ny mpanjakan'i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo.

32. Ary efa azo ny fitàna, ary nodorany tamin'ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.

33. Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin'ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.

34. Efa lanin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin'ny mamba izahay; Nivokisan'ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.

35. Aoka ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an'i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!

36. Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin'ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.

37. Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan'ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.

38. Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.

39. Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.

40. Hampidiniko ho any amin'ny famonoana toy ny zanak'ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin'ny osilahy.

41. Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran'ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin'ny firenena Babylona.

42. Ny ranomasina nanafotra an'i Babylona; Voasaron'ny habetsahan'ny onjany izy.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 51