Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 51:16-23 Malagasy Bible (MG1865)

16. Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho an'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.

17. Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin'ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy.

18. Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.

19. Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.

20. Langilangiko sy fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho entiko mandringana fanjakana,

21. Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;

22. Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;

23. Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 51