Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 49:23-28 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ny amin'i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra.

24. Efa ketraka Damaskosy ka mihodina handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon'ny faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka.

25. Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, tanana fifaliako!

26. Ka dia hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony. Ary ny miaramila rehetra ho ringana avokoa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

27. Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin'ny mandan'i Damaskosy, handevona ny lapan'i Beni-hadada.

28. Ny amin'i Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an'i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 49