Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 49:19-24 Malagasy Bible (MG1865)

19. Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Fa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?

20. Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an'i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.

21. Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; Ny feon'ny fitarainany dia re hatrany amin'ny Ranomasina Mena.

22. Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin'i Bozra; Ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Edoma dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi- jaza.

23. Ny amin'i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra.

24. Efa ketraka Damaskosy ka mihodina handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon'ny faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 49