Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 46:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny tenin'i Jehovah Izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny jentilisa.

2. Ny amin'i Egypta. Ny amin'ny miaramilan'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, izay teny amoron'ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda:

3. Mitaova amin'ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady;

4. Fehezo amin'ny kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.

5. Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.

6. Tsy ho afa-mandositra ny haingan-tongotra, na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo amoron'ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 46