toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14
  15. 15
  16. 16
  17. 17
  18. 18
  19. 19
  20. 20
  21. 21
  22. 22
  23. 23
  24. 24
  25. 25
  26. 26
  27. 27
  28. 28
  29. 29
  30. 30
  31. 31
  32. 32
  33. 33
  34. 34
  35. 35
  36. 36
  37. 37
  38. 38
  39. 39
  40. 40
  41. 41
  42. 42
  43. 43
  44. 44
  45. 45
  46. 46
  47. 47
  48. 48
  49. 49
  50. 50
  51. 51
  52. 52

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 45 Malagasy Bible (MG1865)

Teny nasain'Andriamanitra nolazain'i Jeremia tamin'i Baroka

1. Ny teny izay nataon'i Jeremia mpaminany tamin'i Baroka, zanak'i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin'ny taratasy avy tamin'ny vavan'i Jeremia tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, hoe:

2. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka:

3. Hoy ianao: Idiran-doza aho ity! fa nampian'i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana.

4. Lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao.

5. Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin'ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin'izay rehetra nalehanao.