Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 41:16-18 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin'Isimaela, zanak'i Netania, avy tany Mizpa, taorian'ny namonoany an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;

17. ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin'i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta.

18. tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak'i Netania, efa namono an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 41