Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 41:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny volana fahafito dia tonga tany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy.

2. Dia nitsangana Isimaela, zanak'i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.

3. Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin'i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin'Isimaela avokoa.

4. Ary nony ampitson'ny andro namonoana an'i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,

5. dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon'i Jehovah.

6. Ary Isimaela, zanak'i Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny ampandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama.

7. Ary nony tonga tao afovoan'ny tanàna izy ireo, dia novonoin'Isimaela, zanak'i Netania, mbamin'ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 41