Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 40:13-16 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany amin'i Gedalia tany Mizpa

14. ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, dia naniraka an'Isimaela, zanak'i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i Ahikama.

15. Ary Johanana, zanak'i Karea, nilaza mangingina tamin'i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masìna ianao, aoka aho handeha hamono an'Isimaela, zanak'i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin'ny Joda?

16. Fa hoy Gedalia, zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an'Isimaela ianao.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 40