Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 36:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah izao teny izao hoe:

2. Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin'izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin'ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin'ny andro nilazako taminao dia hatramin'ny andron'i Josia ka mandraka androany.

3. Angamba hoheverin'ny taranak'i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.

4. Ary Jeremia niantso an'i Baroka, zanak'i Neria, ary dia nosoratan'i Baroka tamin'ny horonan-taratasy ny tenin'i Jehovah rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.

5. Ary Jeremia nandidy an'i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon'i Jehovah;

6. fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan'ny vahoaka ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro fifadiankanina ny tenin'i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin'ny vavako, ary vakio eo anatrehan'ny Joda rehetra izay tonga avy any amin'ny tanànany koa.

7. Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i Jehovah ny amin'ity firenena ity.

8. Ary Baroka, zanak'i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 36