Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 33:3-7 Malagasy Bible (MG1865)

3. Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.

4. Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin'ny trano amin'ity tanàna ity sy ny amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra,

5. Raha mandroso hiady amin'ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin'ny fatin'olona, izay novonoiko tamin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin'ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra:

6. Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana.

7. Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin'ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 33