Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 32:19-29 Malagasy Bible (MG1865)

19. lehibe amin'ny fisainana sy mahery amin'ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan'ny zanak'olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany,

20. dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao.

21. Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Hianao tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe,

22. ka dia nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin'ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely.

23. Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin'izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.

24. Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin'ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan'ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan'ny masonao izany.

25. Ary Hianao, Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana aza ny tanàna.

26. Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:

27. Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?

28. Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity sy eo an-tànan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ka ho afany.

29. Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin'ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an'andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 32