Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 28:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'izany taona izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahefatra, no nitenenan'i Hanania, zanak'i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon'i Jehovah, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:

2. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Efa notapahiko ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona,

3. ka ao anatin'ny roa taona no hampodiako ho amin'ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah izay nalain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, avy tamin'ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona:

4. ary Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babylona, dia hampodiko ho amin'ity tanàna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona.

5. Dia hoy Jeremia mpaminany tamin'i Hanania mpaminany teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon'i Jehovah,

6. Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon'i Jehovah anie izany! hotanterahin'i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin'ny hampodiana ny fanaky ny tranon'i Jehovah mbamin'ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin'ity tanàna ity indray.

7. Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:

8. Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin'ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin'ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.

9. Ny amin'ny mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin'i Jehovah tokoa izy.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 28