Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 25:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:

5. Samia miala amin'ny lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay.

6. Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin'ny asan'ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.

7. Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin'ny asan'ny tananareo hahitanareo loza.

8. Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko,

9. dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin'ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.

10. Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro.

11. Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan'i Babylona fito-polo taona.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 25