Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 24:4-9 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

5. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin'ity tany ity ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana.

6. Fa hojeren'ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako.

7. Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy.

8. Ary ny amin'ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain'i Jehovah: Toy izany no hanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin'ity tany ity sy izay mitoetra any amin'ny tany Egypta,

9. eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin'ny tany rehetra izay handroahako azy.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 24