Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 21:7-11 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin'ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin'ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin'ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.

8. Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan'ny fiainana sy ny lalan'ny fahafatesana:

9. Izay mbola mitoetra eto amin'ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.

10. Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity ka hodoroany amin'ny afo.

11. Ary henoy ny tenin'i Jehovah ny amin'ny taranaky ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 21