Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 2:29-37 Malagasy Bible (MG1865)

29. Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.

30. Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.

31. Ry taranaka, dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?

32. Hanadino ny firàvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan'ny oloko Ahy.

33. Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin'ny ratsy ny dianao!

34. Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran'ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin'ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin'izany rehetra izany.

35. Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.

36. Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin'i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin'i Asyria.

37. Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin'i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin'ireo ianao.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 2