Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 18:2-11 Malagasy Bible (MG1865)

2. Mitsangàna, ka midina ho any amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.

3. Dia nidina tany amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin'ny ankodina fanaovana izy.

4. Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin'ny tanimanga eny an-tànan'ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian'ny mpanefy tanimanga hanaovana azy.

5. Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe :

6. Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely.

7. Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;

8. Nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.

9. Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;

10. Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy.

11. Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 18