Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 18:18-23 Malagasy Bible (MG1865)

18. Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin'ny mpisorona, na ny saina avy amin'ny hendry, na ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.

19. Mihainoa ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin'izay miady amiko

20. Ratsy va no havaly ny soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy.

21. Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin'ny herin'ny sabatra izy, ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin'ny ady.

22. Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.

23. Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 18