Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 15:5-15 Malagasy Bible (MG1865)

5. Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Ary iza no hitsapa alahelo anao? Ary iza no hivily hanantsafa anao?

6. Hianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy Jehovah, ka dia ahinjitro kosa ny tanako hamely anao, ka efa mandringana anao Aho, fa efa sasatra ny mandefitra.

7. Ary kororohiko amin'ny fikororohana izy ho any amin'ny vava-tany; Ary foanako anaka ny oloko, eny, aringako izy tsy mety miala amin'ny fanaony mba hiverina izy.

8. Ny mpitondratenany mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin'ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra.

9. Izay niteraka fito dia mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menarina sy mangaihay izy; Ary izay sisa aminy dia hatolotro ho voan'ny sabatra eo anoloan'ny fahavalony, hoy Jehovah.

10. Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin'ny tany rehetra! Tsy nampanàna vola aho, ary tsy nisy nanàna vola tamiko, nefa ozonin'ny olona rehetra ihany aho.

11. Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anao; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin'ny andro ahitan-doza sy amin'izay andro mahory.

12. Mety tapaka va ny vy, dia ny vy avy any avaratra, na ny varahina?

13. Ny fanananao sy ny rakitrao ao anatin'ny fari-taninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao;

14. Ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin'ny tany tsy fantatrao izany; Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, ka handoro anareo no irehetany.

15. Hianao no mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; Aza dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no nitondrako latsa.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 15