Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 11:9-15 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema.

10. Fa izy niverina nankamin'ny heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin'ny razany.

11. Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.

12. Dia handeha ny tanànan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin'ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin'ny andro fahoriany.

13. Fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao, Ary araka ny isan'ny lalamben'i Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo ho an'ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an'i Bala.

14. Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy; Fa amin'ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino azy Aho.

15. Hanao inona ao an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin'ny maro izy, ary ny hena masina dia esorina aminao; Raha azon-doza ianao, mifalia ary!

Vakio ny toko manontolo Jeremia 11