Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 11:4-6 Malagasy Bible (MG1865)

4. Izay nandidiako ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,

5. Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô!

6. Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema Izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin'izao fanekena izao, ka ankatoavy izy.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 11