Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 11:19-23 Malagasy Bible (MG1865)

19. Fa izaho dia tahaka ny zanak'ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin'ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin'ny tanin'ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.

20. Nefa, ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.

21. Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin'ny anaran'i Jehovah, fandrao matin'ny tananay ianao,

22. izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary;

23. Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin'ny mponina ao Anatota Aho amin'ny taona hamaliana azy.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 11