Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 63:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin'ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.

2. Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an'izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?

3. Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin'ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin'ny fahavinirako, dia nipitipitihan'ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.

4. Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan'ny voavotro.

5. Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.

6. Nanitsaka firenena tamin'ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin'ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin'ny tany.

7. Ny famindram-pon'i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben'ny famindram-pony.

8. Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.

Vakio ny toko manontolo Isaia 63