Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 59:13-21 Malagasy Bible (MG1865)

13. Dia ny miodina sy ny mandà an'i Jehovah, ary ny miala amin'ny fanarahana an'Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.

14. Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.

15. Eny, tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobabom'ny sasany. Ary hitan'i Jehovah ny tsi-fisian'ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;

16. Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.

17. Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin'ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.

18. Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an'ny fahavalony, famaliana ho an'ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.

19. Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran'i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin'ny fiposahan'ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin'ny Fanahin'i Jehovah.

20. Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin'ny Jakoba izay miala amin'ny fahadisoana, hoy Jehovah.

21. Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao, na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Isaia 59