Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 56:10-12 Malagasy Bible (MG1865)

10. Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.

11. Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin'ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin'ny filàny harena avokoa izy rehetra.

12. Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza

Vakio ny toko manontolo Isaia 56