Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 47:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Mialà, ka mipetraha amin'ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin'ny tany, fa tsy amin'ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.

2. Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.

3. Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.

4. Ny anaran'ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon'ny maro, Iray Masin'ny Isiraely.

5. Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin'ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin'ny fanjakana intsony ianao.

6. Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.

7. Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.

8. Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan'anaka.

9. Kanjo hanjo anao tampoka amin'ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan'anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.

10. Fa nitoky tamin'ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.

Vakio ny toko manontolo Isaia 47