Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 45:22-25 Malagasy Bible (MG1865)

22. Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa.

23. Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe:

24. Ao amin'i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin'ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.

25. Ao amin'i Jehovah no hanamarinana ny taranak'Isiraely rehetra sy hananany rehareha.

Vakio ny toko manontolo Isaia 45