Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 41:10-20 Malagasy Bible (MG1865)

10. Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.

11. Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.

12. Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao.

13. Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.

14. Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao.

15. Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.

16. Hikororoka azy ianao, ka hopaohin'ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin'i Jehovah, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no ho reharehanao.

17. Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan'ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;

18. Hampiboika renirano ao amin'ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin'ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.

19. Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay,

20. Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan'i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no nahary izany.

Vakio ny toko manontolo Isaia 41