Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 38:2-16 Malagasy Bible (MG1865)

2. Dia nitodika nankany amin'ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin'i Jehovah

3. hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.

4. Dia tonga tamin'Isaia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

5. Mandehana, ka lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao,

6. sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.

7. Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin'i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:

8. Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny dialin' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany.

9. Ny teny nosoratan'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin'ny aretiny:

10. Hoy izaho: Amin'izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita; nesorina tamiko ny androko sisa.

11. Hoy izaho: Tsy mba hahita an'i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any amin'ny fiainan-tsi-hita.

12. Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin'ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.

13. Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain'ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.

14. Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin'ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.

15. Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin'ny taonako sisa rehetra noho ny fangidian'ny aiko.

16. Tompo ô, izany no iveloman'ny olona, ary amin'izany tokoa no iainan'ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.

Vakio ny toko manontolo Isaia 38