Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 38:11-19 Malagasy Bible (MG1865)

11. Hoy izaho: Tsy mba hahita an'i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any amin'ny fiainan-tsi-hita.

12. Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin'ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.

13. Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain'ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.

14. Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin'ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.

15. Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin'ny taonako sisa rehetra noho ny fangidian'ny aiko.

16. Tompo ô, izany no iveloman'ny olona, ary amin'izany tokoa no iainan'ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.

17. Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.

18. Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao.

19. Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.

Vakio ny toko manontolo Isaia 38