Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 32:17-20 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;

18. Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;

19. Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.

20. Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.

Vakio ny toko manontolo Isaia 32