Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 32:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.

2. Ary hisy lehilahy ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana.

3. Ary tsy hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny sofin'izay mandre dia hihaino.

4. Ny fon'izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.

Vakio ny toko manontolo Isaia 32