Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 28:19-29 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.

20. Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon'ny olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.

21. Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin'ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin'ny lohasahan'i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.

22. Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.

23. Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.

24. Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?

25. Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin'izay va ny voan'ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin'ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny?

26. Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy.

27. Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian'ny sariety no akodiadia amin'ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin'ny fantàka, ary ny komina amin'ny tehina.

28. Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian'ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy.

29. Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro; Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena.

Vakio ny toko manontolo Isaia 28