Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 26:2-14 Malagasy Bible (MG1865)

2. Vohay ny vavahady, mba hidiran'ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.

3. Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.

4. Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.

5. Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin'ny tany ka :azerany ho amin'ny vovoka.

6. Hitsahin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian'ny mahantra.

7. Voaravona ny lalan'ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan'ny marina.

8. Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin'ny fanahinay.

9. Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.

10. Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah.

11. Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny  fahasaro-piaronao amin'ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao.

12. Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.

13. Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.

14. Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.

Vakio ny toko manontolo Isaia 26