Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 26:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Amin'izany andro izany dia hohiraina eto amin'ny tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana.

2. Vohay ny vavahady, mba hidiran'ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.

3. Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.

4. Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.

5. Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin'ny tany ka :azerany ho amin'ny vovoka.

6. Hitsahin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian'ny mahantra.

Vakio ny toko manontolo Isaia 26