Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 22:3-12 Malagasy Bible (MG1865)

3. Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza.

4. Koa izany no anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy

5. Fa ao amin'ny lohasahan'ny fahitana dia misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra

6. Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin'ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon'ampinga

7. Izay tsara indrindra amin'ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady

8. Dia alana ny fisalobonan'i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin'izany andro izany.

9. Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan'i Davida; Ary mamory ny rano avy amin'ny kamory ambany ianareo.

10. Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.

11. Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan'ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin'ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.

12. Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.

Vakio ny toko manontolo Isaia 22