Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 21:10-16 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.

11. Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma. Misy miantso ahy any Seira manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?

12. Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena.

13. Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia. Any an'ala any Arabia no andrianareo, ry andian'ny Dedanita.

14. Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin'ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra;

15. Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.

16. Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Ato anatin'ny herintaona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara;

Vakio ny toko manontolo Isaia 21