Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 17:8-12 Malagasy Bible (MG1865)

8. Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan'ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an'ny masoandro.

9. Amin'izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an'ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan'ny olona teo anoloan'ny Zanak'Isiraely, ka dia ho foana ny tany.

10. Fa nanadino an'Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin'ny firenena hafa no nambolenao teo;

11. Tamin'ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin'ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina.

12. Indrisy ny fihahohahon'ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon'ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon'ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon'ny rano manonja ny firohondrohony!

Vakio ny toko manontolo Isaia 17