Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 10:25-34 Malagasy Bible (MG1865)

25. Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.

26. Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, hamely azy amin'ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin'ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.

27. Ary amin'izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin'ny vozonao, ary ho tapaka ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.

28. Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an'i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,

29. Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean'i Saoly;

30. Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin'i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!

31. Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra.

32. Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema.

33. Indro, Jehovah, Tompon'ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin'ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;

34. Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.

Vakio ny toko manontolo Isaia 10