Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 9:3-10 Malagasy Bible (MG1865)

3. Tsy honina ao amin'ny tanin'i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.

4. Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an'i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an'ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an'ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon'i Jehovah.

5. Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin'ny fotoam-pivavahana sy amin'ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah?

6. Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan'ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.

7. Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr'Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan'ny helokao sy ny habetsahan'ny fanoherana.

8. Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin'Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin'ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon'Andriamaniny.

9. Fatra-panao ratsy toy ny tamin'ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.

10. Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin'ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an'ilay tiany ihany izy.

Vakio ny toko manontolo Hosea 9