Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 9:13-17 Malagasy Bible (MG1865)

13. Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin'ny tany mahafinaritra tahaka an'i Tyro, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin'ny mpamono izy.

14. Jehovah ô, omeo azy - inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra.

15. Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian'ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.

16. Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.

17. Harian'Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin'ny jentilisa izy.

Vakio ny toko manontolo Hosea 9