Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 7:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. Amin'ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin'ny laingany ny mpanapaka.

4. Samy mpaka vadin'olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan'ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin'ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.

5. Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin'ny fanafanan'ny herin'ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin'ny mpaniratsira ny mpanjaka.

6. Fa entin'ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin'ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.

7. Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.

8. Efraima dia miharoharo amin'ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.

9. Lanin'ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.

Vakio ny toko manontolo Hosea 7