Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 7:11-16 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an'i Egypta izy ary efa mankany Asyria.

12. Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany.

13. Lozan'ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.

14. Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.

15. Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,

16. Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.

Vakio ny toko manontolo Hosea 7