Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 6:8-11 Malagasy Bible (MG1865)

8. Gileada dia tanànan'ny mpanao ratsy sady voaloton'ny rà.

9. Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban'ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.

10. Tao amin'ny taranak'Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan'i Efraima, voaloto Isiraely.

11. Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin'ny fahababoana ny oloko.

Vakio ny toko manontolo Hosea 6