Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 6:7-11 Malagasy Bible (MG1865)

7. Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an'i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.

8. Gileada dia tanànan'ny mpanao ratsy sady voaloton'ny rà.

9. Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban'ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.

10. Tao amin'ny taranak'Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan'i Efraima, voaloto Isiraely.

11. Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin'ny fahababoana ny oloko.

Vakio ny toko manontolo Hosea 6